Eo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery dia tenenina miaraka matetika ny teny hoe «silamo» sy «fampihorohoroana». Zary toa mahazatra ny maro ny fomba fiteny toy ny hoe «mpampihorohoro silamo». Impiry impiry no voatonona mifanakaiky ny teny hoe «fampihorohoroana» sy «silamo»? na koa manambara teny hafa idiran'ny fampihorohoroana ka miaraka mandrakariva amin'ny silamo? Moa ve ny loharano fototry ny silamo sy ny fombany any amin'ny toeran-tsamihafa sy teo anivon'ny tantara mamela ny fampihorohoroana? Na moa ve ny fampifamindranan-dalana ny silamo sy ny fampihorohoroana tsy finiavana te handoto ny endrika mamirapiratry ny finoana silamo fotsiny? Toa manahatahaka izany ny zava-miseho. Ny jiady –mivantana na an-kolaka- va midika ho fampihorohoroana? Ahoana no hevitry ny silamo mikasika ny fanaovana vivery ny aina, fanafihana izay tsy misy mahafantatra hoe aiza, rahoviana na entina hanohitra an'iza, na iza no hovonoina amin'ny habibiana? |