I Fethullah Gülen dia Poeta, mpanoratra manana ny maha izy azy ary avara-pianarana miavaka amin’ny fanomezana ara-panahy manokana ananany, manampahaizana silamo tena nahomby sy fanta-bahoaka tokoa nandritra izay 30 taona lasa izay. Mpianatry ny Lycée sy ny oniversite maro, na vao nahavita fianarana sy vahoaka maro any “Turquie” no voasinton’ny hafatra mirakitra fandeferana sy ny fampindrampo nataony tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fahiratana manokana. Ireo ezaka nataony mba hnatrarana ioç tanjona lehibe io dia teraka tany ‘Turquie’ ary mianaka amina kaontinanta maro ankehitriny ary tsapan’ny olona amina fiarahamonina maro. Hampifandray ny finoana sy ny fampianarana ara-tsiansa manarapenitra no fototry ny fampianarany mba hamolavola tontolo mahafinaritra, izay mifotrotra amin’ny asa mahomby, ny fitiavana ny hafa, ny fifanantonana ara-pinoana sy ara-pomba amampanao, sy ny faniriana hanompo ny hafa sy ny azahoana ny fankatoavana avy amin’Andriamanitra. Nanokana ny asany mba hampahafantarana amin’ny olona ny tena fivavahana marina I Gülen, mifototra amin’ny fitiavana, ny famelana, ny fisokafan-tsaina, ny asa tsara, ny fandriampahalemana ary nysoatoavina hafa izay mitarika ny olombelona ho amin’ny fahamendrehana sy ny famonjena. Heveriny fa ny fitambaran’ireo fanabeazana roa voalaza etsy ambony no mahatonga ny olona hahafantatra misimisy kokoa ny fisehon’ny mpahary amin’ny zanakolombelona. Ny olona maro mino izany hevitra izany sy ny tanjony dia noho ny fanabeazana, ny fifankazahoana ara-pinoana sy ny ara-kolotsaina noho ny asan’ireo vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana. Ny asanizy ireo dia niteraka sekoly an-jatony nahitam-pahombiazana, satria ny mpandraharaha ‘Turc’ mba hanokatra sy hamatsy ara-bola sekoly maro, kolejy, lycée sy Université manerana ny firenena maro izay mbola tsy ahitana fanabeazana manara-penitra sy ny tombotsoa vokatri’zany. Misy sekoly sasantsasany ihany koa naorina any Amerika sy ny Eropa. Ity boky ity dia mitantara ny ny tantaram-piainan’I Gülen, ahitana ihany koa lahatsoratra voafantina, ny fahitany ny fanabeazana manara-penitra sy ny ilany azy ny fanehoana azy amin’ny haino aman-jery. Tsy natao ho fandokafana ny fiainany sy ny vokatr’izany teo amin’ny olona maro ity boky ity; natao hanampy amin’ny fampidirana ireo olona te-hahalala misimisy kokoa ny hafatr’I Gülen izy sy izay nanatanteraka azy amin’ny taona mifandimby. |