Iza Moa i Fethullah Gulen?

Iza Moa i Fethullah Gulen?

Teraka tany 'Erzurum' atsinanan'I Turquie ny taona 1941 I Fethullah Gülen, mapndinika sy manampahaizana silamo ary mpanoratra manana ny maha izy azy no sady poeta koa. Nobeazina tamin'ny fahalalana ara-pinoana izy ary ray aman-dreny ara-panahy sy manampahaizana silamo fanta-daza no nanabe azy tamin’izany.

Nianatra momba ny fototry ny fahalalana mikasika ny fizika ary ny farahamonina ankehitriny koa izy.

Ny Silamo, Ny Teokrasia Sy Ny Tirania Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par Fethullah G   
27-06-2007
Misy olona sasantsasany dia afaka mampiasa ny zavatra rehetra na tsinontsinona akory aza mba hanaovana ny ratsy, afaka mitrandraka ny finoana silamo koa izy ireny ary mampiasa ny fivavahana mba hanjakana tsy ho refesi-mandidy. Kanefa izany tsy azo olazana fa manana endrika despotika ny finoana silamo. Heveriko fa ny hevi-diso dia avy amin'ny tsy fahazahoana tsara io toe-javatra io. Ny silamo dia tsy mitovy amin'ny teokrasia izay manana hevitra hafa ho toy ny rafi-pitondrana fidin’ny ray aman-drenym-piangonana. Amin'ny silamo dia tsy misy antanantohatra eo amin'ny mpitondra fivavahana ara-panjakana na rafita entin’ny mpitondra fivavahana.
 
< Précédent   Suivant >