Iza Moa i Fethullah Gulen?

Iza Moa i Fethullah Gulen?

Teraka tany 'Erzurum' atsinanan'I Turquie ny taona 1941 I Fethullah Gülen, mapndinika sy manampahaizana silamo ary mpanoratra manana ny maha izy azy no sady poeta koa. Nobeazina tamin'ny fahalalana ara-pinoana izy ary ray aman-dreny ara-panahy sy manampahaizana silamo fanta-daza no nanabe azy tamin’izany.

Nianatra momba ny fototry ny fahalalana mikasika ny fizika ary ny farahamonina ankehitriny koa izy.

Ny Tsirairay Sy Ny Zon Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par Fethullah G   
27-06-2007

Tsy tokony hiahiahy isika amin’ny isam-batanolona sy amin’ny fivelarany na amin’izay mety ho ataony amin’ny olon-kefa satria ny CORAN dia mahita ny olona tsirairay ho toy ny karazan-javatra mitovy amin’ny voary rehetra. Ny manavaka azy dia ny loharanom-pihetseham-po sy ny fisainana izay mamelona azy. Rehefa mandinika tsara sy mahafanatra tsara ny olona ary tonga amin’ny fetra farany ambony dia ho tsapany ny zavatra tena itondrana ny fiainana ara-piarahamonina.

Ny olona mivelatra dia mahatsapa ny ilana ny fitondrana ny fiainana miaraka, mahatsapa izy fa tsy afaka ho irery sy tsy ho afaka hanao ratsy amin’ny hafa mpiaramonina aminy ao amin’ny fiarahamonina.

Ny olona voabe amin’io foto-kevitra io sy tsy manararaotra ny fahefany sy ny fahafahany mba hanimbana ny hafa fa mba hisafidianana amim-pahamalinana ny tombotsoan’ny manodidina azy dia tsy maintsy homena alalana hivoatra samy irery. Raha tsy izany, hisy fanamelohana sy fitsarana, mpangeja sy voageja, mpanao ratsy sy potika tsy hisy fijanonany.

 
< Précédent   Suivant >