Iza Moa i Fethullah Gulen?

Iza Moa i Fethullah Gulen?

Teraka tany 'Erzurum' atsinanan'I Turquie ny taona 1941 I Fethullah Gülen, mapndinika sy manampahaizana silamo ary mpanoratra manana ny maha izy azy no sady poeta koa. Nobeazina tamin'ny fahalalana ara-pinoana izy ary ray aman-dreny ara-panahy sy manampahaizana silamo fanta-daza no nanabe azy tamin’izany.

Nianatra momba ny fototry ny fahalalana mikasika ny fizika ary ny farahamonina ankehitriny koa izy.

Ao Amin Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par Fethullah G   
27-06-2007

Image«Tsy dia faly loatra ny vondrona silamo ny niteny nandritry ny taona maro fa: «Tsy misy ifandrisany amin’ny fampihorohoroana ny silamo». Nitranga anefa ny fanfihana ny 11 Septambra. Vokatr’izany, firenena maro no niaran’ny daroka baomba, anisan’iznay i Turquie. Fantatra fa avy amintsika ny nanao ny herisetra. Tsy mino ve isika silamo fa isika nangorohoro indrindra alohan’ny hafa?»

Ankehitriny, azo ambara fa tsy fantatra loatra ny silamo. Tsy maintsy miteny ny silamo hoe “Ao amin'ny tena silamo marina, tsy misy ny fampihorohoroanaâ€. Amin'ny silamo, ny famonoana olona iray dia loza toy ny tsy finoana. Tsy misy na iza na iza afaka mamono olona tsy azon-keloka. Tsy misy afaka mamono olona tsy manantsiny na dia amin'ny fotoanan’ny ady aza. Tsy misy na iza na iza koa afaka manome “fatwa†(fanapahan-kevitra ofisialy avy amin'ny silamo) mikasika io toe-javatra io. Tsy misy na iza na iza afa hiriorio ao anaty vahoaka miaraka amin'ny baomba afatotra amin'ny vatana.

ImageAry na inona na inona finoan’ireo vahoaka ireo, tsy ara-dalàna ny fanomezan-dàlana izany. Na dia man fotoanan’ny ady izay sarotra ametrahana fandanjalanjana aza, tsy azo atao izany amin'ny finoana silamo “Aza mikasika ny ankizy madinika na ireo olona mivavaka ao am-piangonanaâ€. Tsy indray mandeha no nilazana an’izany fa naverimberina nandritry ny tantara. Izany no nolazain’ny mpampianatra antsika sady Mpaminany lehibe, Mohammed, nolazain’I Abou Bakr, izany no nolazain’I Omar sy nolazain’I Solahaddin Ayyoubi taty aoriana kely sy nolazain’I Alparslan sy Klisarshan. Ny Sulta Mohamet II koa dia nilaza zavatra mitovy amin’izany. Avy eo ny rnivohitr’I Constantinople izay nanjakan’ny korontana dia nanjary ho Istambul. Tsy nanao ratsy tamin’ny Armenianina ny Grika tao amin’io tanan-dehibe io, ary ny armenianina koa tsy nanimba ny Grika.

Ny silamo rehetra koa dia tsy nanao ratsy na tamin’iza na tamin’iza. Fotoana fohy taty aoriana, notafihina I Constantinople, misy sary lehiben’ny mpanafika mipetaka eo amin'ny rindrin’ny trano fonenan’ny Patriarche. Mandreraka ny mahafantatra fa ny fitondrantena hafahafa dia nipoitra tamin’io vanim-potoana io. Ny tantara dia nilaza fa ny Sultan dia niantso ny Patriarche mba homeny ny fanalahidin’ny tanàna. Mandraka ankehitriny, mbola milaza izany ampanajana ny Patriarche. Amin’izao androntsika izao kosa, ny silamo sy ny zavatra hafa koa dia tsy mazava araka ny tokony ho izy. Nanaja mandrakariva ny fahsamihafan-kevitra ny mpino silamo, ary tokony ho azo tsara izany raha tena te-hahafantatra ny lanjany marina.

ImageMalahelo aho milaza fa any amin’ireo tany iveloman’ny silamo, misy mpitarika fivavahana sasany sy silamo vitsivitsy tsy matotra izay tsy manana fitaovam-piadiana afa tsy ny fandikana fondamantalista ny silamo. Ampiasainy hisintonana ny olona hirona ao anatin’ny ady izany. Izay tsy ilaina afa tsy amin'ny tombotsoany. Ny silamo anefa dia finoana marina ary tsy maintsy raisina amin'ny fomba marina. Eny amin'ny làlan’ny finoana dia tsy mahazo mampiasa fomba diso na oviana na oviana. Amin'ny silamo, tsy maintsy manara-dalàna hatramin’ny farany ny zavatra rehetra, ary tsy maintsy toy iznay koa ny fitaovana rehetra hanatrarana azy. Amin’io fomba fijery io, tsy misy na iza na iza ho tonga any am-Paradisa amin'ny famonoana olona. Ny silamo dia tsy afaka miteny hoe: “Te-hamono olona iray aho, aorian’izany ho tonga any am-Paradisaâ€. Tsy mety ho azo amin'ny famonoana olona ny fankatoavan’Andriamanitra; ny tanjona iray lehiben’ny mpino silamo dia ny hahazo ny fankatoavan’Andriamanitra; ankoatra izany ny fampahafantarana an’izao tontolo izao ny anaran’Andriamanitra mahery indrindra.

“Moa va mandinika izy ireo alohan’ny hanaovana ny ady eo amin'ny sisintany kanefa manjary sahan’ny ady ny tany tontolo ankehitriny? Mahita izany ho toy ny karazan’ady na djihad (ady masina) va izy ireo? Mihevitra va izy ireo fa hivoa ho azy ny varavaran’ny Paradisa?â€

Mazava ny fitsipiky ny finoana silamo. Tsy mamela ny olona hamaky ady izy. Ny vondrona na tambajotra hafa koa dia tsy afaka mamaky ady. Ny fanjakana ihany no afaka manao izany. Tsy azo atao ny ady raha tsy efa misy filoha na miaramila milaza mialoha fa hisy izany; Raha tsy izany dia asa fampihorohoroana. Amin'ny tranga mateti-pitranga sasany angonina hiaraka amin'ny tena –miala tsiny aho amin'ny fomba fiteny- ny vondrona jiolahimboto. Raha nomena alalana hamaky ady ny olona tsirairay, ho nanjaka ny korontana; satria na dia fahasamihafana kely fotsiny aza dia mety ho efa hampijoro ny rindrina eo amin'ny olona samy olona. Tsy misy na iza na iza afaka milaza hoe: “Hamaky ady amin’I amin-dranona olon-tsy fantatra ahoâ€. Ny olona mandefitra manoloana ny maha kristianina dia azo melohina toy izao:

“Io olona io, Ingahy tsy fantatra, nanampy ny kristianina ary nampademy ny finoana silamo. Tsy maintsy miady aminy ary vonona izyâ€. Misy famakiana ady izany. Tsy mora ny mamaky ady. Raha tsy ny fanjakana no mamaky ny ady dia tsy misy olona afaka miditra amin’izany.

Na iza na iza manao izany na dia manampahaizana deraiko fatratra aza, aza mamorona ady, mifanohitra amin'ny fotopisainana silamo izany. Voafaritra mazava tsara amin'ny finoana silamo ny fitsipiky ny ady sy ny fandriampahalemana.

“Raha mifanohitra amin'ny foto-pisainana silamo izany, nahoana no toy izao ny finoana silamo?â€

ImageAraka ny hevitro dia tsy misy tontolo islamika tena marina. Misy fotsiny toerana onenan’ny mpino silamo. Ny toerana sasany dia ahitana silamo misimisy kokoa noho ny hafa. matetika dia raisina ho toy ny fomba fiainana loatra ny finoana silamo, kolontaina fa tsy fivavahana. Misy silamo manorina finoana silamo arakaraky ny fomba fisainany. Eto aho dia tsy mandray ho ohata ireo silamo extremista fa amin’ireo silamo tsotra miaiana amin'ny maha silamo araka izay tiany. Ny fepetra voalohany mba ho tena silamo marina dia ny mino mafy sy miaina mifanaraka amin'ny finoana. Ny silamo dia tsy maintsy manao ny andraikitra mifanaraka amin'ny finoana silamo. Sarotra ny mampiseho toerana iray amin'ny saritanin’izao tontolo izao ahitana fiarahamonina tena miaina amin’io foto-kevitra sy filozofia io. Ny filazana fa misy izany dia manafika ny silamo. Ary ny milaza koa fa tsy misy ny silamo dia manafika ny zanak’olombelona. Tsy miheritreritra aho fa ny silamo dia afaka mandray anjara feno amin'ny fametrahana ny fifandanjan’izao tontolo izao ankehitriny. Tsy ahitako fomba fijery toy inona amin’ireo manam-pahefana ankehitriny. Na dia misy fahazavana teraka izay manomboka mahita masoandro dia mbola tsy mahalala na inona na inona ihany ny tontolo silamo.

Voamarika izany nandritry ny kajy (grand pèlerinage: fivahiniana masina lehibe), mandritry ny fifampiresahana sy ny ady hevitra; hita ihany izany amin'ny fivorian’ireo solmmbahoaka jerena amin'ny fahita lavitra.

Ambany dia ambany faripahalalana. Tsy manana ny fahafahana hamaha ny olana eto ambonin’ny tany ireo silamo ireo na ho ela na ho aingana.

“Te-hilaza va ianao fa tsy tokony ho ampiasana ny fomba fiteny hoe “tontolo silamoâ€?â€

ImageTsy misy ny tontolo hafa. tsy misy manerantany ny silamo ankehitriny fa eo amin'ny tsirairay ihany. Misy silamo etsy, misy silamo eroa eto amin’izao tontolo izao; mitokatokana, samy maka ho azy ny tsirairay. Izaho manokana dia tsy mahita mpino silamo tonga lafatra. Raha tsy afaka mifandray amin’izy samy izy ny mpino silamo ary manorina firaisankina, miasa miaraka mba hamaha ny olana iombonana, mahazo sy mahay mandinika ny tontolo, mihevitra izany amin'ny fahazavan’ny Coran, mandinika tsara ny ho avy sy mamolavola tetik’asa mifanandrify amin’izany ary mamaritra ny toerana misy azy amin'ny ho avy, dia tsy afaka hiteny aho na hisaina fa misy ny tontolo silamo. Satria tsy misy ny tontolo silamo, manao zavatra samy irery ny olona. Azo atao aza ny milaza fa misy mpino silamo manana ny marina azy samy irery. Azo heverina ny hisian’ny fahazoana ny finoana silamo hiombonan’ny silamo rehetra, izay voamarin’ny manampahaizana manokana, avy amin'ny fomba matotra ao amin'ny Coran ary novolavolaina tsara. Tsy afaka hahatsapa afa tsy ny fibahanan-toeran’ny silamo ho kolontsaina.

Toy izany no efa nisy hatramin’ny taonjato faha V taorian’ny fifandonana (taonjato faha XI taorian’I J-C). nanomboka tokotokony ho tan vanimpotoanan’ny Abbassides io firehana io na tamin’ny fisehoan’ny seldjoukides.

Niha mafy izy taorian’ny fanafihana an’I Istambul. Tsy nisy fandalinana vaovao intsony taty amin'ny fotoana manaraka. Hety dia hety ny lafim-pisainana. Tery koa ny dadasi-panahy tao amin'ny silamo. Nanomboka nipoitra tao amin'ny tontolo silamo ireo olona mirorosaina: olona tsy azo anarina izay tsy afaka mandefitra manoloana ny hafa na hisokatra aminy. Io heteren-tsaina io koa dia nahazo ny toeram-ponenan’ireo mpitondra fivavahana silamo ary na tany amin’ireo “madrasa’ (sekoly fianarana teolojia) aza, akory ny alahelo. Marina, ireo toerana rehetra ireo dia mila fanovana avy amin'ny tena olona tsirairay amin'ny toerana misy azy avy.

“Toa mandrantsana any Turquie ny tambajotram-pampihorohoroana al-Qaïda. Afaka manazava ny lafiny ara-pivavahana amin’io toe-javatra io va ianao. Mbola misy lafiny hafa koa va?â€

Ny olona iray tena halko indrindra eto ambonin’ny tany dia I Oussama Ben Laden satria nametaveta ny endrika fototry ny finoana silamo izy. Nampiseho endrika sy sary mampandoha izy. Na dia manao ny ezaka goavana aza isika mba hanamboarana ny zavatra simba rehetra dia mila taona maro izany.

Hatraiza hatraiza dia tenenintsika io fiovan-dratsy io. Nanoratra boky mikasika azy io isika. Nolazaintsika mafy dia mafy fa “tsy an’ny silamo izanyâ€. Nosoloin’I Ben Laden tamin’ny heviny sy ny faniriany manokana ny lojika silamo. Nahavita zavatra mahatsiravina izy sy iray izay nanampy azy. Raha misy olona mitovy aminy na eto antany na aiza dia tsy inona koa fa biby.

Melohintsika ny toetran’I Ben Laden. Na izany aza anefa, ny fomba manokana ahavitana habibina toy ireny dia ny silamo monina amin'ny tany ahitana endrika silamo ety ivelany fotsiny – ary averiko indray fa tsy mahatsapa tontolo silamo aho fa toerana misy silamo monina fotsiny dia mamaha ny olana misy ao aminy manokana.

Tsy efa hafa va ny fisainany rehefa mifidy ny solontenany sy ny mpitarika azy izy? na manao fanovana? mba ahafahan’ny taranaka vaovao sy tanora voae mahita masoandro dia tsy maintsy mamaha ny olana misy eo aminy ny silamo. Iray amin’ireny ny fampihorohoroana fa mbola misy hafa koa: ny zava-mahadomelina, ny sigara, ny fizarazarana, ny korontana sivily, ny fahantrana tsy misy fitsaharany, ny henatra fa entin’ny hafa, nifositra amin'ny ziogany sy giazana tsy misy fitsaharany.

Ahoana no filazan’I Mohamet Akif Ersoy izany, maro etsy sy eroa ny karazan’olana: ny fanandevozana, ny fiankinandoha, ny fanekena ny zavatra rehetra amin'ny fahazaran-dratsy. Ireo loza amin’Andriamanitra ireo dia tsy maintsy arodana eto amin'ny firenentsika. Mino aho fa ny fomba hialana amin’izany dia ny fananana toetra tsara, ary mba hananana ny fahatsarana dia tsy maintsy tia an’Andriamanitra.

“Ireo olona mankasitraka ny fampihorohoroana dia nobeazina teo amintsika fianakaviana silamo. Mino ve isika fa “silamo†izy ireo. Inona no fiovana nahazo azy mba ho lasa mpampihorohoro? Tsy meloka va isika amin’izany?â€

Fahadisoantsika izany, fahadisoan’ny firenena ary fahadisoan’ny rafi-panabeazana. Ny tena silamo dia izay mahatsapa tsara ny finoana silamo amin’ny endriny manontolo ary tsy mety hanjary mpampihorohoro. Sarotra ny olona afaka miaina ho silamo rehefa avy nanao sy niaina tao amin'ny fampihorohoroana. Ny fivavahana dia tsy nankasitraka tanteraka ny famonoan’olona mba hanatrarana tanjona iray. Kanefa inona no ezaka nataontsika mbahanabeazana ireny olona ireny amin'ny tokony ho izy mba hahatonga azy ho tena olombelona? andraikitra toy inona no nasehontsika mba hanabeazana azy mba hahafahantsika manantena dieny ankehitriny fa tsy hiditra amin'ny asa fampihorohoroana izy?

Azo arovana amin'ny loza tsy ho tonga mpampihorohoro ny olona amin'ny fifatorana entitra amin'ny foto-kevitra silamo, amin'ny finoana, amin'ny fahatahorana an’Andriamanitra ary amin'ny fahatahoran          ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Kanefa isika dia tsy mety ho ohatry ny fanabeazana tsara amin’io toe-javatra io. Na dia misy kely ihany aza ny fanirina hiditra amin’io lalàna io ankehitriny dia misy mpiray tanidnrazana sasantsasany tsy manao afa tsy izay tsy hahombiazan’izany.

Misy manohitra ny fanatanterahantsika ny zavatra tena ilaintsika. Mihevitra izy ireo fa ny fampianarana ny kolontaina sy ny moraly any ampianarana dia tsy maintsy rarana. Isika anefa dia nilaza fa tsy maintsy ampianarina any ampianarana izay tsy maintsy tokony ho fantatra mba ahafahana miaina tsara. Izay nifandray amin'ny fahasalamana sy ny fahadiovana dia tsy maintsy ampianarina any antsekoly amin'ny alalan’ny dokotera. Tsy maintsy ampianarina any antsekoly izy rehetra mifamatotra amin'ny fiainana, amin'ny tokatrano sy amin'ny fifandraisan’ny mpivady ary amin'ny fanabeazana ny zaza. Kanefa misy ny ambony noho izany. I Turquie sy ny firenen-kafa ankoatry ny silamo dia mangirifirin’ny zava-mahadomelina, ny loka sy ny kolikoly. Maro ny olona any Turquie voarohirohy amin'ny halatra sy ny fanaovana kolikoly. Io hadalana io dia tsy hita loatra amin’ireo toerana azo iainana sy azo ivezivezena.

Misy anefa toerana azo aleha ahitana olona tsy azo anontaniana sy tsy azo vangiana satria voaaro izy ireo. Hita any amin’ireny toerana ireny ny varo-maizina.

Ireny rehetra ireny dia mianaka eto amintsika. Misy fahambangana noho izany amin'ny fanabeazana azy, misy tsy ampy sy misy lesoka izay tsy jerena sy fongorana. Raha afohezina dia misy ny lohalaharana tsy omena amin'ny fanaeazana ny zanak’olombelona. Noho izany misy taranaka diso làlana sy potika.ny tanora tsy mahazo fahafaham-po dia manjary tsy manan-javatra ara-panahy. Misy olona sasany manararaotra ny fahosany dia manome azy vola mba hanodinkodinana azy. Ampiasaina hamono olona izy ireny mba hanafenana ny hadalana sy ny tanjona tian-kotratrarina, entina hamono olona. Misy olona sasany manana fanirian-dratsy dia manodinkodina ireny tanora ireny.

Novana ho sari-olona izy ireny. Ny vanimpotoana namonoana olona maro tany Turquie. Ny vondrona iray mamono olona, manao toy izany koa ny vondrona hafa. tafidita tao anatih’ny ady mafana ny olon-drehetra mandrapahatongan’ny fanelanelanan’ny tafika ny 12 Martsa 1971 sy ny 12 Septambra 1980. Toa lian-drà amin'ny hafa ny tsirairay. Mifamono ny olona mba hahatongavana amin-javatra sasany.

ImageFampihorohoroana avokoa izany, ireo izay amin'ny vondrona itsy, ireo izay amin'ny vondron izatsy, tena ny iray manontolo. Ny tsirairay anefa dia ahitana famantarana tsy mitovy amin'ny zavatra ataony. Satria hoy ny iray “Ataoko amin'ny anaran’ny finona silamo izanyâ€, hoy indray ny hafa “Miady amin'ny kapitalisma sy ny fitsetsefana tsy an-drariny ahoâ€. Teny, teny tsy misy dikany. Lazain’ny Coran masina hoe: “Teny tsy misy hevinyâ€. Tsy misy na iza na iza mitondra hasina afaka manome rariny ny korontana. Kanefa mbola tohizan’ny olona ny famonoana. Samy namono amin'ny alalan’ny heviny ny olona tsirairay.

Firy no maty tamin’ny anaran’io hevitra lian-drà io. Tsy misy maha samihafa an’izany amin'ny asa fampihorohoroana. Ny olon-drehetra dia nanao ny fahadisoana fa tsy ny silamo ihany. Satria ny rehetra nonanao azy ireny, ireo vono olona, maty ny iray dia maty ny iray, nanjary tanjona iray “azo ataoâ€. Lasa fahazarana ny famonoana olona. Very kolontsaina amin'ny vono olona avokoa ny olon-drehetra na dia eo aza ny voninahitra lehibe ananany. Indray andro, nisy namana fantatro tsara namono bibilava. Nahazo maripahaizana tao aminy fianarana teolojia izy ary mpivavaka ao amin'ny mosquée. Tsy niresaka taminy nandritry ny iray volana aho. Ary hoy aho taminy: “Anisan’ny zavaboary iny bibilava iny, noho izany manan-jo ho velona. Zo inona no nahafahanao namono azy?â€

Ankehitriny kosa, na olona folo na roapolo no maty, izao no tenenina: “Tsy mampaninona izany, tsy dia maro no niaran-dozaâ€. Io herisetra tsy mbola fahita io dia nanjary neken’ny olona maro ary mitombo tsy misy toy izany. Hoy ny filazana: “Soa ihany fa roapolo no matyâ€. Raha fehezina dia ny fiarahamonina manontolo mihintsy no lasa manaiky io toe-javatra io ho anisan’ny fiainany andavanandro.

Ny fanabeazana ihany no afaka manakana toe-javatra toy izany. Ny lalàna sy ny fitsipiky ny fitondrana koa dia afaka manakana azy. Misy vondrona manavakavaka sasantsasany izay voaaro tsara sy tsy voasambotra noho izany, manaiky maha zava-dehibe izany zava-betaveta sy mampidina ny laharan’ny zavatra tena mahasoa hitovy amin'ny zava-betaveta. Misy ny vahaolana hanoherana izany. Tsy maintsy hazavaina fa tsy mety ho mpampihorohoro ny silamo. Ahoana no hanazavana izany? Satria ny olona dia tsy maintsy mahatsapa fa rha manao ny ratsy izy, na kely toy ny atoma aza, tsy maintsy hanadinana azy ety antany sy any ankoatra izany.

Araka izany, ny teny ao amin'ny Coran masina dia milaza fa ny famonoana ny tsy manantsiny dia mitovy amin'ny famonoana ny zanak’olombelona manontolo. Ibn Abbas aza dia mbola nanampy fa ny mpamono olona dia ho any amin'ny afobe mandrakizay. Io sazy io dia mitovy amin’izay omena ny tsy mpino. Midika izany fa izay mamono ny tsy manantsiny dia hiaritra toy ny tsy mpino. Ary amin'ny finoana silamo, amin'ny andron’ny fitsarana farany, ho ampidinin-daharana ho toy ireo tsy nanaiky an’Andriamanitra sy ny Mpaminany. Raha izany no hevitra ifotoran’ny fivavahana dia tsy maintsy ampianarina any an-tsekoly.

 
Suivant >